Actualités

Famahana ny olan’ny fakon’Antananarivo Lasa any Tokyo - Japon ny ben’ny tanàna


  • Zoma 17 Febroary 2023

Any Tokyo, renivohitr’i Japon amin’izao fotoana ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina.

Anton-diany ny fanatrehana ny famahana ireo valopy mirakitra ny tolobidy ho amin’ny fikirakirana ireo fako mivaingana eto Antananarivo renivohitra. Ho avy tsy ho ela ireo fitaovana hahafahana mandamina ny fako ; fantatra ihany koa fa mbola hisy fitaovana hafa tahaka ny kamiao, mpitroka sy mpibata fako ho avy saingy mbola any amin’ny fiandohan’ny taona 2024. Anisan’ny tanàna filamatra amin’ny fahadiovana i Tokyo, ka izay no antony nikarohana mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka any an-toerana. Tafiditra ao anatina tetikasa goavana iarahana amin-dry zareo japoney amin’ny alalan’ny Jica ka hahazoana famatsiam-bola 845 tapitrisa Yens izao hetsika izao.Ny fandraofana sy fitaterana ny fako no asa atao ao anatin’izany. Tsara ho fantatra fa manodidina ny 600 taonina isan’andro ny fako eto an-drenivohitr’i Madagasikara, mety ho tonga 700 taonina aza io rehefa tena amin’ny andro avy orana, ka ny 350 taonina amin’io ihany anefa no voaraoka sy voataona ara-dalàna.Izay no antony ahitana fako misavovona amina toerana maro eto Antananarivo. Tanjon’ny fiaraha-miasa amin’ny japoney ny hahafahana mandraoaka sy mitatitra fako hatrany amin’ny 600 taonina isan’andro.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT