Famahana ny olan’ny angovo

Hita ho miantraika amin’ny herinaratra sy rano hatrany


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Nisy fidinany amin’ny resaka 200 sy 140 Ariary izany iny ny vidin-tsolika.

Vidin-tsolika moa no hamehezantsika malagasy azy na resaka ilay tena solika na «gasoil» io na ny lasantsy na ny solitany na «petrol». Heverina ho ao anatin’ny tokontanin’ny atao hoe famahana ny olan’ny angovo eto Madagasikara avokoa izany na dia miteraka adihevitra marobe toy ny hoe hay ve izy io azo ampidinina ihany izany? Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao samihafa koa ny hoe fa naninona tamin’ireny fotoanan’ny COVID 19 ireny no nahavita nampidina ny azy daholo ny firenen-kafa, nisy aza hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison izay, firenena sasany, ireo izay naka ny solika tao aminy indray no nomena vola? Isika irery no tsy nanetsika ny vidiny fa nampiakatra hatrany aza dia io vao mba mody nampidina izany io tamin’ireny fotoana ireny. Etsy ankilany dia tsikaritra ho nahamay indray ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy sy rano indray tamin’iny sabotsy iny, raha ny angom-baovao tamin’ireo toerana samihafa teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hita ho miantraika amin’ny herinaratra sy rano hatrany hatreto, araka izany, ny famahana ny olan’ny angovo eto amin’ity Madagasikara ity. Miandry vahaolana maharitra.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT