Miditra an-tsehatra tanteraka amin’ny famahana ny olan’ny mpampianatra mpikaroka eny Ankatso ireo mpianatry ny oniversite ankehitriny
. Omaly ireo mpianatra dia nihaona tamin-dramatoa minisitry ny Fampianarana Ambony naka toky tsara ny amin’ny tsy hisian’ny taona fotsy amin’ity taom-pianarana ity. Ramatoa minisitra moa dia nampanantena ny hitady ny vahaolana rehetra mba tsy hahatongavana amin’izany. Momba ny fanaovana rangopohy ilay taratasy fanekena nampanaovin’ireo mpampianatra mpikaroka dia nanaiky ny minisitry ny Fampianarana Ambony fa hanao izany izy sy ny minisitry ny Fitantanam-bola izay andrasana avy any ivelany anio. Io taratasy io moa dia manambara fa manaiky marina ireto minisitra roa ireto ny hanao izay hivoahan’ny tambin-karaman’ireto mpampianatra mpikaroka ireto izay efa nivoaka ho lalàna tamin’ny taona 2009. Miankina betsaka amin’io fanaovana sonia io izany ny hivahan’ny olana eny Ankatso. Raha sanatria moa ka tsy mbola miravona amin’io ihany ny disadisa dia ny filatsahan’ny mpianatra an-dalambe no sisa.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.