Actualités

Famadihana-tsena-mpivarotra enta-madinika


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

30 000 Ar no karama manaparitaka vola sandoka 120 000 Ar

Lasa toerana fanaparitahan'ireo olon-dratsy ny vola sandoka ny any amin’ny famadihan-drazana, tsena ary toeram-pivarotana enta-madinika amin’izao any amin’iny Faritra Vakinankaratra iny. Vehivavy iray no tratra ny 15 jolay lasa teo tao Sahanivotry. Tratra ihany koa ny anadahiny iray taorian’izany. Raha araka ny fantatra dia mody mividy zavatra izy ireo. Vola sandoka 120.000 Ar no tratra teny aminy saika hohampiasainy. Karamaina 30.000 Ar hono izy ireo raha voatakalony ireo vola ireo.Ny fokonolona tao amin’ny fokontany sy Kaominina Ambatomena ihany no nahasambotra an'ity vehivavy ity ka ireo zandary ao Tsarahonenana Sahanivotry no nikaroka ny fomba nahazoana ireo namany. Tovolahy hafa iray indray no tratra ihany koa tamin’ny 18 Jolay teo. Vao maraina dia efa nisavoritahan'ny olona tao Andriambilany ity tovolahy ity ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Vola sandoka mitentina 80.000 Ar no tratra tany aminy. Tratra nampiasa vola sandoka tao an-tampon-tanàna moa ilay ranamana ity ka tezitra ny vahoaka.

Matetika milaza ireo izay tratra fa noho ny fahasahiranana sy ny tsy fananan’asa no mahatonga azy ireo roboka miasa manaparitaka vola sandoka. Mahafantatra tsara anefa izy ireo fa faran’ny henjana ny sazy miandry ny mpanao vola sandoka dia ny asa an-terivozona mandrapahafaty.Misoratra mazava amin’ireo vola taratasy rehetra eto Madagasikara izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto ireo mpanao vola sandoka tratra niaraka tamin’ny lehibeny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT