Famadihan-dresaka sy fanasoketana

Nitory eny amin’ny


  • Alarobia 19 Novambra 2025

Cybercriminalité i Tahina Razafinjoelina

Nametraka fitoriana eo anatrehan’ny fanosoram-potaka natao azy ny Filohan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina. Nisy ny famadihana ho zavatra hafa, fandotoana mirefarefa, hitera-doza ny ranty nataony ny 08 novambra 2025 lasa teo tamin’ny tambajotran-tserasera nanaoo hoe : « Mitady hivadika fitsaram-bahoaka ny tambajotra eto amintsika, mandeha daholo ny fanaratsiana maimaimpoana na olona na orinasa,… Miantso ny fanjakana mahefa handray andraikitra sao sanatria hamotika fiainan’olona isika. Any amin’ny firenen-kafa dia melohin’ny lalàna velona ny fanaratsiana tsy ara-drariny tahaka ny eto amintsika ». Nisy anefa ny fanovana sy famadihana resaka nataon’ny pejy Vaovao Mahaliana 2.0 izay nanova tanteraka ny zavatra voalaza nanao hoe : « Tahina Razafinjoelina : Tokony hofoanana sy handraisan’ny Fanjakana fepetra ny Facebook ». Novaina sy nitarina amin’ny tsy tokony ho izy ka lasa miendrika fandotoana sy famadihana resaka mety hivadika fisavorovoroana, fikorontanana, fanenjehana, fankahalana,… « Nalaina ny ranty nataon’i Tahina Razafinjoelina, nampitomboina entina hitarihana sanatria amin’ny zavatra mamoa-doza ny vahoaka », hoy ny mpahay lalàna Vola Ramanamizao, izay nametraka ny fitoriana amin’ny anaran’Atoa Tahina Razafinjoelina. Nomarihiny fa araka ny lalàna laharana 2014-006 momba ny ady amin’ny heloka an’habaka (cybercriminalité) izay nahitsy sy nampiana tamin’ny alalan’ny lalàna laharana 2016-031 dia nametraka ny fitoriana i Tahina Razafinjoelina noho ny fanamboarana sy fandotoana ny « image » na ny maha izy azy, famoronana zavatra tsy nosoratany sy tsy noteneniny, mbola nentina nampiasaina ny sariny naranty tao amin’ny Pejy Vaovao Mahaliana 2.0. Miendrika fihantsiana goavana, mitarika sanatria korontana mavesatra eto amin’ny Firenena, fandikan-dalàna, tsy azo ekena, ka aleo ny Fitsarana hanao ny asany satria efa napetraka ny fitoriana. Niantso ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera mialohan’ny hanaranty zavatra, hevitra, soson-kevitra,… mba hanamarina sy hijery ary handanjalanja ny mety vokatra tsara sy voka-dratsin’ny zavatra avoaka, mba tsy ho toy ity nataon’ny Vaovao Mahaliana 2.2 ity, izay mitarika sy miampanga mihitsy an’Atoa Tahina Razafinjoelina amin’ny hoe fanafoanana ny facebook kanefa zavatra tsy noteneniny. Nanao antso amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanaraha-maso ny ranty avoaka amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa moa io mpahay lalàna io.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT