Faly sahirana ny tantsaha

Ripaky ny fody ny voly eny an-tsaha


  • Talata 14 Janoary 2025

Faly sahirana ny tantsaha na dia tonga aza ny rotsak’orana ao anatin’izao andro

ratsy navelan’ny rivodoza izao. Vokatra ny voly, hoy ny tantsaha mpamboly iray, saingy ripaky ny fody ny voly eny an-tsaha. Ny vary vao teraka no tena lasibatra, hoy izy. Tsy mandaitra amin’itony karazam-borona madinika itony intsony ny sary olona apetraka eo afovoan’ny saha. Hatreto anefa dia tsy hita izay vahaolana azo atao ankoatran’ny mandroaka mivantana azy ireny, hoy hatrany ny fanazavana. Vorona voasokajy ho isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara koa, etsy ankilan’izay, ny fody. Izany hoe isan’ireo biby arovana noho ny fananany endrika miavaka sy mahafatifaty ary heverina ho isan’ireo mahasarika mpizahantany ihany koa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT