Mahagaga, hoy ny mpahay toekarena, Faly Ramakavelo, fa tsy tafiditra tao anatin’ny resaka mikasika antsika tao anatin’ny fihaonan’ny mpamatsy vola tany Parisy ny Sinoa kanefa ry zareo mpamatsy goavana indrindra eto.
Ny Anglisy dia manomboka mirona amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo Sinoa ireo satria efa fantany fa ho firenena matanjaka indrindra atsy ho atsy i Sina. Raha nanaraka ny tantara isika dia naman’ireo mpandresy nandritry ny ady lehibe voalohany sy faharoa hatrany ny Anglisy izay azo lazaina fa firenena fetsy indrindra eran-tany. Amin’izao fotoana dia miha mitotongana ny vola “Euro” sy ny Dolara satria niala lavitra ny fampiasana ny antsoina hoe : “etalon-or”, izany hoe : tsy misy volamena toy ny teo aloha intsony ny ambadiky ny volan’izy ireo. Ny taona 1922, hoy i Faly Ramakavelo, no nanomboka nidiran-trosa isan-karazany ny Amerikanina noho izay fialana tamin’ny fikirakirana volamena izay. Ny Sinoa ankehitriny, raha ny filazany, dia manana ambim-bava volamena 3000 taonina eo ho eo hiatrehana izay fiverenana amin’ny “etalon-or” izay. Isika kosa raha mahay mitrandraka ny harentsika, indrindra ny volamena izay tena betsaka eto, dia azo antoka ny hahatongava ho firenena matanjaka indrindra, noho izay fahaizana mitrandraka sy mampiasa ny volamena eto amintsika izay. Ny dikan’izany dia isika no tokony hibaiko ny tontolon’ny fitrandrahana volamena eto satria isan’ny firenena manana betsaka izany isika.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.