FALIARIVO AMBANIDIA

Trano fivarotana saribao may, an-tapitrisany ny fatiantoka


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Trano fivarotana saribao sy hazo teny Faliarivo-Ambanidia teny,

Boriborintany faharoa no indray niara-kilan’ny afo omaly Alarobia 10 Jolay tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany folakandro. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny firehetana fa ny hany fantatra dia mitentim-bidy an-tapitrisany maro ireo saribao sy hazo laza lavenona. Tsy nijanona teo moa ny afo raha araka ny vaovao azo fa efa saika nihitata tamin’ilay sekoly EPP iray teny an-toerana raha tsy nifanome tanana ny mponina. Fotoana vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza moa dia tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina namono ny afo. Naharitra ora iray vao voafehy ny afo. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Mampahatsiahy hatrany moa ny sampana mpamonjy voina fa fotoana mampahazo vahana ny haintrano izao vanim-potoanan’ny ririnina mampahery vaika ny rivotra izao. Mila mitandrina ny rehetra noho izany indrindra amin’ny fampiasana ny labozia….hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Nahazo vahana fatratra tahaka izao ny afo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT