Actualités

Faktioran’ny Jirama 305 miliara Ar no mbola tsy naloan’ny Fanjakana


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Mahatratra 305 miliara Ar ny faktioran-jiro sy rano tsy voaloan’ny Fanjakana amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Ny MPEF (Mémorandum de Politique Économique et Financière)

andiany fahatelo amin’ny fandaharan’asa FEC (Facilité Elargie de Crédit) izay mampifamatotra an’i Madagasikara amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na ny FMI no miresaka an’io. Misy fepetra amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny faktiora vita fitsirihana mazava na factures auditées ) ny fandoavana tsikelikely an’io, raha ny voalazan’ny Fanjakana ao anatin’ilay MPEF. Voalaza fa vonona handoa an’io Fanjakana, ankoatra ny fanampiana ara-bola na “subvention” efa nekena hanohanana ny fampihodinana ny Jirama. Mba tsy hampisavovona ny faktiora, nambara fa efa vonona ihany koa amin’ny famaranana ny fametrahana ireo “compteurs prepays” eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana ny Jirama hatramin’ny faran’ny taona.
SANGODIM-PANINA
Matetika toa mitady ho lasa sangodim-panina ity resaka Jirama ity. Ny mpamatsy vola mitaky ny hampihenana ny fanampiana ara-bola ny Jirama sy ny resaka tohana na “subvention” amin’ny vidin-tsolika mba tsy ho vesatra be ho an’ny Fanjakana ; Ny Fanjakana tsy mandoa ny faktiora tamin’ny fandaniany ny jiro sy ny herinaratry ny Jirama satria manao tohana isan-taona. Ny orinasan-tsolika vao tsy ela no voalaza fa nahatratra 1136 miliara Ar ny vola tsy naloany tamin’ny Fanjakana tamin’ny 2022 ary izao vao hoe: haverina ny fanefana azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT