FAKON’ANDRALANITRA

Havadika ho « gaz » sy zezika ho azo hampiasaina…


  • Zoma 19 Jolay 2024

Havadika ho gaz bio-methane sy zezika bio-composte ny fakon’Andralanitra manomboka izao.

Najoro omaly Alakamisy 18 Jolay ary hanomboka hanao ny asany ny orinasa hanatanteraka izany izay hampiasa vola manodidina ny 60 tapitrisa Euros. Gaz 400 taonina isan-taona no hovokariny raha 800 taonina isan-taona kosa ny zezika. Ho an’ity farany manokana dia fantatra fa 200 taonina isan’andro ny fako haodina ka olona manodidina ny 500 isa no hahazo asa. Anisan’izany ireo misehatra amin’ny fanodinana ireo akora plastika, ny metalika….Amin’ny volana Jolay taona 2025 moa no hanomboka hivarotra ireo vokatra ity orinasa iray ity izany hoe : 12 volana aty aoriana. Tafiditra ao anatin’ny fanampiana ireo vahoaka manodidina an’Andralanitra izay mahatsiaro ho sahirana amin’ny fiparitahan’ny fofon’ny fako eny an-toerana moa izao hetsika izao raha eo ihany koa ny fanomezana asa ny mpiara-belona.
Pati
Legende : Havadika ho vola ity fakon’Andralanitra ity manomboka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT