FAKO PLASTIKA 28 Kg

Hahavitana dabilio iray sy seza iray


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Tena ilaina ny fako plastika noho izy mbola hahavitan-javatra tsara.

Anisan’ireny ny dabilio sy ny seza hianaran’ny mpianatra ankoatra ireo karazana kojakoja ilaina ao an-tokantrano. Mahavita dabilio iray sy seza iray ny fako plastika 28Kg raha araka ny nambaran’ny Andao Compagny izay mpamokatra azy. Miara-miasa Alcico izy mandritra izany amin’ny alalan’ilay tetikasa Etoile ka ny sekoly mila izany no manangona ny fako plastika raha ny Andao Compagny kosa no manodina azy. Anisan’ny nahazo dabilio sy seza plastika misa 20 avy amin’ity orinasa ity ny EPP Fitroafana Talatamaty. Natokana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy faha-enina sy fahafito izany, fiaraha-miasa efa nanomboka tamin’ny taona 2024 hifarana amin’ny taona ho avy 2026 teo amin’ny orinasa sy ny sekoly. Fantatra moa fa maharitra kokoa ny dabilio vita amin’ny fako plastika raha oharina amin’ny dabilio vita amin’ny hazo. 2 taona monja mantsy no faharetan’ity farany raha mahatratra 3 taona ireo vita amin’ny fako plastika mahazaka mpianatra 3 isanisany.
Pati
Legende : Tsara sady mateza ny dabilio sy ny seza plastika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT