Actualités

Fako misavovon’Antananarivo Nirosoana ny fanalana ny etsy Anosibe


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Nirosoana omaly ny fanesorana ireo fako nisavovona teny amin’ny tsenan’Anosibe,

nampiasana ireo fitaovana vaovao azo tamin’ny Japoney tamin’ny alalan'ny tetikasa GESDA (Gestion des Déchets Solides pour la Ville propre à Antananarivo). Hatreto dia mihisa 32 ireo fiara lehibe entina manala ny fako eto an-drenivohitra fa hiampy 32 kosa izany amin'ny volana jona araka ny fifampiresahana teo amin'ny PDS sy ny Masoivoho Japoney ny alatsinainy teo nandritra ny lanonana fanolorana ireo fitaovana vaovao avy amin'ity firenena ity, hoy ny eo anivon’ny Kaominina. Nidina ifotony teny Anosibe tsena moa ny ny Filohan'ny delegasiona manokan'ny tanànan'Antananarivo (PDS), Richard Ramanambitana nijery akaiky ny asa. Efa misy, hoy izy, ny vahaoloana fohy ezaka ho fanesorana ireo fako misavovona ato anatin'ny 10 andro. Nambara fa tsy mijanona eo anefa fa hisy koa ny vahaolana antonony sy lavitra ezaka mba hampadio hatrany ny tanàna. Niantso fifanomezan-tana amin'ny mponina sy ireo mpiara-miasa isan-tokony kosa izy amin'ny fanatanterahana izany. Tonga hatramin’ny hoe : ny tanjona dia hanao an'Antananarivo ho modely tsy eto Madagasikara ihany fa manerana ny ranomasimbe indiana sy eran'i Afrika. Enga anie mba ho izay tokoa fa tsy ho vonjy tavanandro sy hanenjehana fifidianana tahaka ny efa nitranga teo aloha. Nambara fa ilofosan'ny delegasiona manokan'ny tanànan'Antananarivo ny fampandoavana hetra ny vahoaka eto an-drenivohitra. Mifanakalo ny tamberin'andraikitra, hoy ny PDS, ka tokony hoentanina ny mponina amin'ny fandoavan-ketra. 0,75% ny tahan'ny fandoavana hetra tamin'ny taona 2022, raha toa ka 22% ny vola niditra tamin'izany ho an'ny taona 2021. Miantoka ny ampahany betsaka amin'ny fanadiovana sy ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo ny fandoavan-ketra, ka efa misy ny paikady hampitomboana ny tahan'ny fandoavan-ketra. Miandry tamberin’andraikitra ihany koa anefa ny vahoaka fa tsy hoe : tangosana fahatany ny volany kanefa tanàna potika, làlana potika, fako misavovona,… no iainany isan’andro.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT