FAKO MIPARITAKA ETO AN-DRENIVOHITRA

Mitaraina ho tsy voajery ireo eny amin’ny faritra iva


  • Zoma 15 Desambra 2023

Miparitaka izaitsizy ny fako eto an-drenivohitra.

Efa ho iray volana teo ho eo izao no nahitana taratra izany, antony mampahazo vahana ireo karazan’aretina toy ny aretin’andoha sy ny taovam-pisefoana eto amintsika. Ireo faritra iva no tena ahitana izany toy ny etsy Ambodin’Isotry, Anosibe, Andravoahangy…Nambaran’ireo mponina fa tena tsy voajerin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SMA mihitsy izy ireo na dia efa akaiky aza ny fety. Ny eny Antaninarenina sy Ambohijatovo, toerana manakaiky ny lapam-panjakana izay misy jiro mandravaka ny tanana ihany hoy izy ireo no diovina fatratra sy arovana fa ny ankoatra izay dia tsy misy firaharahiana sy fandraisana andraikitra mihitsy. Ny fofona sy ny lalitra ateraky ny fako anefa hoy izy ireo mila tsy ho azo iainana intsony indrindra amin’izao andro mafanabe izao. Manampy trotraka izany ny hoditra lodisia sy manga izay mameno ny antsasaky ny daban-jaoridira. Miantso ny orinasa SMA sy ny kaominina Antananarivo mba handray ny andraikiny araka izany mponina any amin’ireo faritra iva ireo. Tsiahivina moa fa tsy any amin’ireo faritra voalaza etsy ambony ireo ihany no feno fako miparitaka eto an-drenivohitra fa efa misy hatrany akaikin’ny hopitalim-panjakana sy ny tsy miankina mihitsy, izay loza mitatao ho an’ireo marary tsaboina rehetra.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fako miparitaka eto an-drenivohitra amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT