Actualités

Fako efa mitobaka Mbola iniana aparitaka ihany!


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Tsy hay mihitsy hoe inona izany no tena tiana ahatongavana manoloana ny tranga

rehetra eto amin’ity Antananarivo ity? Iny aloha ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanàna fa ombay mitady. Tsy hita hoe lasa aiza? Nametra-pialana tokoa ve? Sanatria nisy aretina nahazo azy ve ka nalefa nitsabo tena tsy an-kiteniteny any? Na inona na inona nitranga aloha dia naman’ny tsy misy mpitantana izany amin’izao fotoana izao ny renivohitr’i Gasikara. Mitokona ny SMA satria tsy azo ny volany. Miangona sy misavovona eraky ny tanàna ny fakobe. Fako efa mitobaka kanefa dia hita ho mbola iniana aparitaka ihany raha ny tsikaritra tamin’ireo toerana misy daba-pako eto Antananarivo hatramin’ny omaly. Izany no tena hoe fako eraky ny arabe, ara-bakiteny. Avaradoha, Ankorondrano, Andravoahangy, Mascar, 67ha, izay alehanao rehetra dia saika nahitana izany avokoa. Asa hoe iza no tiana gafiana ao anatin’izany dia inona no tombontsoan’ilay mpigafy? Raha sanatria hiparitaka ny aretina dia iaraha-mahalala nefa fa samy ho lasibatr’izany avokoa rehefa mponin’Antananarivo. Tsy ny resaka fako sy Antananarivo ihany moa no nahenoana resaka fifampisoparana toy izany fa farany teo izao dia voalaza ho hianjadian’izany ihany koa ny mpitantana vaovaon’ny orinasa JIRAMA. Tsy afaka ny hikatsaka tombontsoa iombonana intsony ve izany ity malagasy ity?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT