FAKO AO AMBOHIDAHY ITAOSY

Mararin’ny fofon-tsetroka ny ankizy madinika


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Velon-taraina mafy amin’ny fako mivangongo ao aminy ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ambohidahy,

kaominina Bemasoandro Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Raha araka ny fanazavana azo mantsy dia misy tanin’olona fanarian’ny kaominina fako ao an-toerana. Mitoby hatrany anefa izany fako izany ka voatery doran’ny tompon’ny tany. Andro aman’alina io afom-pako io tsy maty ka miparitaka sy manenika ny tanana ny setroka havoakany . Tonga hatrany an-tokantrano mihitsy izany, antony mahatonga ireo kilonga madinika sy ireo efa nahazoazo taona harary tratra. Manao koho-maina, avy eo mamay ary manavy mihitsy ireo olona voasokajy ho marefo ireo koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny kaominina Bemasoandro. Adidin’ny kaominina moa raha tsiahivina no mitady ny toerana tokony hanarian’ny mponina fako ao aminy ary mamadika izany ho zezika na zavatra hafa mba tsy hankarary ny mponina tahaka izao zava-misy ao Ambohidahy Itaosy izao.
Pati
Legende : Vao mainka mankarary ny fako raha izy mivangongo tahaka izao no dorana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT