Actualités

Fakiolten’ny Siansa-Oniversite Ankatso Nahazo efitrano fitehirizana ny voka-pikarohana


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Nahazo efitrano fitehirizana ny voka-pikarohana hataon'ny mpianatra ny departemantan'ny paleontolojia sy ny antropolojia biolojika eo anivon'ny fakiolten'ny siansa

. Mirefy 200 m² eo ho eo izy io, ahitana efitrano roa misy ireo karazana taolam-biby toy ny ragidro...Vokatry ny fiaraha-miasan'ity departemanta iray ity tamin'ny Oniversiten'i Stony Brook no angady nananana sy vy nahitana izany. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy io fotodrafitrasa io, narahin'ny fankalazana ny faha-40 taona niorenan'ny departemanta. Nifanindran-dalana tamin'izay lanonana izay ny famoahana ireo mpianatra 19 mianadahy notolorana ny mari-pahaizana DEA na ny Diplômes d'études Approfondies, izay nomarihin-dRanaivoson Jean Freddy, filohan'ny komity mpikarakara ny hetsika fa andiana mpianatra hamarana ny fahazoana ny DEA eny amin'ny anjerimanontolo noho ny firosoantsika anatin'ny rafitra LMD. Tsidiala sy Varika no anarana nisaloran'izy ireo ahitana tovovavy maromaro. Tsiahivina moa fa voatery nalefa tany am-pitandranomasina hatrany ny voka-pikarohana vitan'ny mpianatra teto amintsika hatramin'izay noho ny tsy fananan'izy ireo efitrano fitehirizana izany. Tonga amin'ny niriany izy ireo ankehitriny ka hotanterahina tsy ho ela ny fampodiana an-tanindrazana ireo voka-pikarohana rehetra tavela any.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT