Fakana hetra 0,5% amin’ny « Mobile Money »

«Tsy maintsy hatsaraina ny fidiram-bolam-panjakana… »


  • Alakamisy 21 Novambra 2024

Misy hetra vaovao tokoa heritreretin’ny Fanjakana hampidirina ho an’ny taona 2025,

ka anisany ny fakana hetra amin’ny fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday na ny « mobile money » araka ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison omaly tao amin’ny TVM. Lojika ny fihetsik’ireo orinasa fa raha tsy nanao aza izy ireo no mety mahagaga kely. Na iza na iza nangalana hetra vaovao dia tsy maintsy misy foana izay fihetsika izay, ary ny hetra na kely na lehibe dia marary satria tsy misy faly hakana vola izany. Ny fomba hitondrantsika azy dia hoe : « moindre mal » na hoe : iza no tsy hamparary loatra fa samy marary daholo, hoy ny fanazavany. Ny hahazoana hetra betsaka indrindra ohatra raha hakana dia ny vary izay hahazoana 730 miliara Ar any ho any ka izay tena tsy marary ny hakana azy. Tahaka izany ihany koa ny fanafody izay tsy mandoa hetra ka 230 miliara Ar no azo raha hakana, fa tsy hatao izany ny Fanjakana, hoy io Minisitra io. Nambara kosa anefa fa tsy maintsy manatsara ny fidiram-bolam-panjakana, ka ilay làlan-tsain’ny « moindre mal » no hoentina mandresy lahatra. Ekena izany ary adidy ny mandoa hetra fa moa arakarak’izany ve ny tamberiny amin’ny vahoaka ? Tena tsara tantana ve ny volam-bahoaka raha tarafina amin’ny kirendrarendran’ny Fanjakana, ny kolikoly, ny tsenam-baro-panjakana feno kiantranoantrano, ny tsy fahaizana misafidy ny tena laharam-pahamehana,… ?

Isan’ny noresahan’io Minisitra io moa ny resaka mpiasam-panjakana izay misy fiakarana 31 miliara Ar ny tetibola, fa ny tena lehibe dia ny fampidirana mpiasam-panjakana 6650 ka 1000 miaramila, 1000 zandary, 1000 polisy, 300 fahasalamam-bahoaka, 3000 fampianarana ankampobeny, 250 fampianarana teknika, ary 250 ho an’ny fampianarana ambony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT