Actualités

Fakana « casier judiciaire » 2.000 Ar no sarany fa tsy volabe izany, hoy ny fitsarana


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Misy mitaky volabe mihoampampana amin’ny fakana casier judiciaire na bulletin n°3 ao amin'ny fitsarana

ambaratonga voalohany ao Miarinarivo amin’izao, raha araka ny vaovao azo. Tafakatra hatramin’ny 50.000 Ar izany ho an’ny sasany. Nampahafantatra ny besinimaro ny fitsarana any an-toerana noho izany fa 2 000 Ar ihany no saran'ny fakana izany. Nohazavain’izy ireo ihany koa fa raha aterina maraina ny fangatahana dia alaina ny tolakandro ny casier izany hoe : tsy milona be toy ny teo aloha intsony. Ny kopia sy ny karapanondron'ny mpangataka no ilaina amin’izany hoy hatrany ny vaovao fa raha maniraka olon-kafa kosa ilay tompony dia tsy maintsy ny raiamandreny na iraitampo amin'ny mpangataka no maka izany miampy ny karapanondron'ilay iraka. Nampahafantatra ihany koa moa ny fitsarana fa raha mbola mitohy io fanararaotana hataon’ny sasany io dia tsy tokony hisalasala hanatona ny tompon’andraikitra ireo lasibatr’izany milaza ny zavamisy mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT