Notsipahin’ny mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Antsirabe ny vaovao an-gazety nilaza ny fisian’ny fakana an-keriny natao tamina tovovavy mpianatra iray anisan’ireo nanao fanadinana Bakalorea ny talata 19 aogositra lasa teo.
Ny fanadihadiana sy ny fanamarinana nataon’ny mpitsabo, hoy ny Lietinà Lovasoa Lalaina, Lefitry ny kaomandin’ny kaompania Antsirabe dia nanamarina fa tsy mitombina ny filazan’ilay zazavavy fa nisy naka an-keriny sy nanolana izy satria tsy misy porofo nanambara izany teny aminy no sady salama saina tsara tsy nisy tahotra izy rehefa naterin’ny olona tao amin’ny tobin’ny Zandary. Tsy nisy very tany aminy avokoa ireo fitaovana nentiny nanao fanadinana, toy ny fiantsoana, kara-panondrom-pirenena … Nambarany fa mbola tena ao anatin’ny fanadinana tanteraka ny mpianatra ka toy ny fanakorontanana ny sain’ny ray aman-dreny sy ny mpanala fanadina iny tranga iny, izay tsy avy tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana no namoaka azy. Nokianiny ny fomba nitrandrahan’ilay mpanao gazety ny vaovao, izay tokony ho nohamarinina tany an-toerana nialoha ny namoahana azy. Amin’ny ankapobeny dia nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana bakalorea tao Antsirabe na dia teo aza iny fampielezana vaovao tsy marina iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.