Actualités

Fakana an-keriny an’i Law Tany Toamasina Valifaty sa… ?


  • Alatsinainy 22 Jona 2015

Nitrangana fakana an-keriny indray ny zoma alina teo tokony ho tamin’ny 8ora alina tao Mangarivotra avaratra Toamasina.

 


 

I Law, teratany metisy sinoa fantan-daza amin’ny ady tany no nisy naka an-keriny. Mifamahofaho ny vaovao azo momba ny nakana azy an-keriny noho ny vaovao afenina mafy dia mafy. Tsy hay intsony ny raharaha na tena fakana an-keriny marina na valifatin’ny samy “mpibizina tany” na sinema ihany koa. Andro vitsy talohan’izao nakana an-keriny azy izao mantsy no nandrava trano tao Mangarano ana hektara maro ity teratany metisy sinoa ity, ka olona an-jatony no tsy manan-kialofana any an-toerana. Voalaza fa fiara tsy mataho-dalana “double cabine”, no nakana azy izay heno fa efa saron’ny polisy hanaovana fanadihadiana. Misy koa anefa ireo milaza fa fiara R21 kosa ilay izy. Ny zava-misy aloha dia mangataka vola 3 miliara ariary amin’ny fianakaviany ireo mpaka an-keriny, araka ny tsiliantsofina re omaly alahady izay tsy nohamarinin’ny polisy manao ny fanadihadiana. Ankoatra izay, tsy misy raharahan-tany goavana tsy ahenoana ny anaran’i Law ao Toamasina. Tsy mbola nisy olona na orinasa naharesy azy mihitsy tamin’ny adim-pitsarana ady tany nataony hatreto aloha. Ireo fakana an-keriny sasany nifanesy tao Toamasina ihany koa nahenoana azy sy ny zanany lahy, indrindra tamin’ilay teratany karana nanjavona tanteraka tsy hita hatramin’izao iny. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT