Manomboka amin’ny 500.000 Ar ny vidin’ny iray amin’ny fahitalavitra fisa-damosina na ny poste téléviseur Led amin’izao.
Amin’ilay karazany faran’izay kely io. Tsy mbola nahitana fiakarany io vidiny io raha araka ny fanadihadiana nataonay tamina magazay iray lehibe eto an-drenivohitra na dia efa malaza be aza fa tsy azo ampiasaina intsony ireo fahitalavitra tsy miloko amin’ny volana Jona 2015. Misy mahatratra 3 tapitrisa Ariary kosa ny vidin’ny iray lehibe amin’ireo karazany ireo, fanao ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny amin’ny ankapobeny. Na izany aza tsy mbola betsaka ireo tena mividy azy ireny. Ny mpanontany no betsaka, raha ny fanadihadiana natao ihany. Mikasika ireo vata fahitalavitra izay voalaza fa tsy ilana décodeur intsony rehefa raikitra ny television numerique terrestre (TNT) dia efa betsaka ihany koa ireo manontany azy ireny ankehitriny. Mahatratra valo isan’andro mantsy izany izay marihina fa ilana “carte puce” kely tahaka ireny finday ireny ilay izy. Manomboka eo amin’ny 999.000 Ar ka hatramin’ny 3.275.000 Ar no vidin’ity farany, miankina amin’ny habeny sy ny marika mipetaka aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.