Actualités

Fahazotoan’ny olona mifidy Mitaky ny fahamatoran’ireo mpanao politika


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2015

Sahiko ny milaza dieny izao, hoy Atoa Faneva Raholdina mpandalina ny raharaham-pirenena malagasy, fa mbola hidina ambany be noho ny hita tamin’ny 31 jolay teo ny tahan’ny mpifidy malagasy amin’ny taona 2018 hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka.

 

 Nifanakaiky loatra ny krizy politika nisy sy ny fanatanterahana  ny fifidianana kaominaly, hoy izy, ka izany no tsy namparisika ny olona loatra tamin’ity fifidianana ity. Tsy hitan’ny mpifidy ny tena marina fa mbetika toa miaraka ny Tim sy Mapar, mbetika miara-dia koa ny Hvm sy ny Tim, toa hoe ohatran’ny manao sarin’ady miady nefa toa ohatran’ny tena tsy mifanara-tsaina koa raha ny marina. Izahay mahita fa raha tsy misy fitoniana politika eto amintsika dia tsy hisy izany fampandrosoana ara-toekarena marina azo atao izany, hoy ity mpandalina ity. Ny ahatongavana amin’izany dia tsy misy afa-tsy ny fahazoan’ny mpitondra ny « majorité parlementaire » tena izy eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Mila manova lalàm-pifidianana ihany koa ny mpitondra ankehitriny satria ity misy ankehitriny ity dia efa nahavoa ny Malagasy tamin’ny fotoan’andro nitondran’ny Pr Zafy Albert ka niantraika tamin’ireo praiminisitra nitantana tamin’izany raha tsy hilaza afa-tsy ny Emmanuel Rakotovahiny sy Francisque Ravony, hoy izy. Ho an’i Faneva Raholdina dia mila miverina ny fitokisan’ny vahoaka ny mpanao politika mba hampazoto azy ireo hifidy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT