Fahavitan’ny Miami

Tsy nampiala ny loto tao Toamasina


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Andro vitsy lasa izay no notokanana ny torapasika voatrolombelon’i Miami

na ilay nomen’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, anarana hoe Miray hina sy mifankatia ao Toamasina. Tsy hiverenana intsony moa ny adihevitra mikasika ny hoe tsy izany akory no nampanantenain’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny, fony izy mbola kandida ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 fa tena mitovy amin’ilay Miami any Etazonia mihitsy. Tsara noho ny any aza. Kinanjo moa tsy izay tampoka indray no fitrangany taty aoriana. Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa raha ny fampitan-tsary nomen’ireo mpiala sasatra any Toamasina amin’izao fotoana izao aloha dia tsy nampiala ny loto tao Toamasina tampon-tanàna ny fahavitan’ity fotodrafitrasa nireharehana fatratra fa hampiditra 40 miliara Ariary isan-taona amin’ny alalan’ireo vahiny mpizahatany ho avy eto ity. Ilay lalana vita tara na «goudron» mirefy 2km vao notokanana vao haingana niaraka taminy tao ve izany no tena hisarika izany mpizahatany vahiny hampiditra volabe izany sa ilay anarana dika mitovy amin’ny hita any amin’ny firenen-kafa, hoy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao? Mandra-pahoviana izany no hiainana hatrany ity haingo ambony tsikoko amin’ny alalan’ny fitokanana fotodrafitrasa tsy mety hita hatramin’izao mihitsy izay fiantraikany amin’ny tena fiainam-bahoaka marina ity? Ekena fa asa, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Miary Rasolofoarijaona, izay, ny hopitaly manara-penitra sy ny kianja manara-penitra na teleferika, saingy mamaha ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena ve iainantsika amin’izao fotoana izao ve? Mamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fisian’asa ve na ny vidim-piainana sy ny fidangan’ny vidin-tsolika? Manala ny kere any atsimo ve izany rehetra izany na ny olan’ny rano sy ny herinaratra manerana ny nosy? Samy seho ivelany na haingo ambony tsikoko hatrany moa no resaka eto. Seho ivelany hita ho mbola tsy nampiala ny loto toy ity hita tao Toamasina ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT