Nitondra ny alahelony tany amin’ny mpitandron’ny filaminana tao Bazaribe Taolagnaro ny alarobia teo ny ramatoa iray izay very entana. Entana voalaza fa nalefan’ny havany avy any andafy. Raha ny voarakitra taomin’ilay fanazavana mahakasika manamariina ny entana dia fakantsary no nalefan’olona ho azy
, kinanjo, zavatra hafa tsy inona fa vary sachet roa no tao anatiny. Rehefa natao sy nohalalinina ny fahaverezan’ilay entana dia tsikaritra fa nisy nanataka tamin’ny alalan’ny hareza ny tao ambanin’ilay baoritra no nakan’ny olona an’ilay fakantsary, ary avy eo no nampidirana ireo vary mba ho solon’ny nalaina. Tsy manaiky ny nanjavonana’ilay entana ilay ramatoa fa mitaky ny hanoloana azy ary ny mpiasan’ny paositra ao Tôlagnaro no takiany hanonitra na hamerina ny entana. Marihina fa tsy vao izao no nisehona, tao amin’ny Paositra Malagasy – Tôlagnaro, fahaverezana entana toy izao araka ny vaovao azo tamin’ireo mpanjifa hafa fa efa nisy ihany koa tamin’ny taon-dasa ny entana ho ana ONG manana ny maha izy azy no nanjavona. Mbola fakantsary ihany nosoloina poti-taratasy ny tao anatiny . Niainga tamin’ny fanahadihadiana no nahafantarana fa olona roa mpiasa ao amin’ny paositra no mitana ny lakilen’entana tonga na ireo « Colis ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.