Nangataka tolo-tanana amin’i Madagasikara i Maorisy mba hanampy azy hiatrika ny voina taorian’ny fahavakisan’ilay sambo mpitatitra entana MV Wakashio ao an-toerana ny 25 jolay lasa teo.
Nampitain’ny Masoivohon’i Maorisy eto Madagasikara tamin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy izany ary efa am-pelatànan’ny Rantsana misahana ny Ady atao amin’ny Asa fandotoana ny ranomasina amin’ny alalan’ny akoranafo (OLEP), izay rantsana miankina amin’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Vonona ny hifanome tanana amin’izany ny OLEP ary hamatsy fitaovana an’i Maorisy hifehezana ny fiparitahan’ny solika anaty ranomasina. Efa nitondra ny anjara biriky amin’ny fanadiovana ny morontsiraka ny mpiasa teto amin’ny Masoivoho ny Madagasikara ny sabotsy 15 aogositra lasa teo. Ny 06 aogositra ny fitondrana maorisianina no nanambara fa misy solika mivoaka avy amin’io sambo io ka mandoto ny ranomasina. Noho izany dia nampihatra avy hatrany hamehana ara-tontolo iainana izy ireo. Tandindomin-doza ny biby an-dranomasina ary ahiana hifindra monina. Misy fiantraikany amin’ny fiharian’ireo mpanjono ao an-toerana ihany koa ity loza ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.