Efa lasa miteraka tebiteby amin` ny vahoaka Malagasy ity aretina “coronavirus” ity ka rehefa mahita teratany vahiny dia lasa miteraka savorovoro tsy fidiny indrindra moa any amin` ny faritra.
Ny alakamisy lasa teo dia nisy teratany sinoa mirahalahy tonga tany amin’ny Distrikan’i Mitsinjo. Nikoropaka ny iray tanàna na dia efa nampiseho taratasy fanamarinana fa nahavita ny 15 andro nihibohana ( certificat de fin de mise en quarantaine) izay nomen’ny Fanjakana aza izy ireo. Voatery nidina ifitony noho izany ny tompon’andraikitra nijery akaiky ny zava-nisy. Nasaina nanao taratasy fanekena fa hanao fihibohana any an-trano mandritra ny 14 andro hafa indray izy mirahalahy teratany sinoa ireo, izay mpiasa amina orinasa any Namakia. Rehefa tapitra izay fe-potoana izay, dia afaka mivoaka ary mandray ny asa aman-draharahany amin’izay izy ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.