Tsy ny eny Itaosy irery intsony na ny eny Faravohitra fa miitatra ankehitriny ny fitokonana sy fanehoan’ny
mponin’Antananarivo sy ny manodidina manoloana ity fahatapahan-jiro lavareny na delestazy ity. Nidina an-dalambe nandoro kodiarana koa omaly alina ny teny 67ha. Leo delestazy na ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny ity ireo mponina, raha ny fanehoan-kevitra miverimberina. Efa tsy rariny intsony, hoy ny sasany, fa tsy misy fampahafantarana, tsy misy fampandrenesana. Adin’ny 3 na adin’ny 4 tapaka. Tsy misy fampilazana! Nibahana ny arabe no sady nandrehitra afo teo, ara-bakiteny, moa ireto mponin’i 67ha ireto. Tsy misy faritra tsy hiharan’izany fahatapahan’ny herinaratra izany intsony amin’izao fotoana izao hatramin’ireo renivohi-paritany eto Madagasikara. Hatramin’ny teny amin’ny antenimiera aza moa niharan’izany fahatapahana izany ary na 7 minitra teo fotsiny aza no faharetany dia ireny efa niaraha-nahita fa nampimenomenona ireo loholona ireny. Ampahafirin’ny any amin’ireo faritra sasany eto Madagasikara, izay efa ho herinandro tsy mahita hazavana amin’ny alalan’ny herinaratra intsony tokoa nefa moa izany? Nahatsiaro ho afa-doza ve ny minisitry ny angovo satria efa nametra-pialana ka tsy mahatsiaro ho manana andraikitra mikasika ny tokony hamahana ity olan’ny fahatapahana eo amin’ny resaka jiro sy rano ity intsony? Ny praiminisitra moa dia ireny niara-nahita nandritry ny fampahafantarany ny praograma ankapoben’ny fanjakana ireny fa amin’izao fitondrana izao, izay ny filoham-pirenena sy izy praiminisitra ihany izany izao no tena ofisialy, dia mandeha amin’ny laoniny izao toe-draharaha izao. Azo tanterahina tsara ilay PGE na dia mbola an-kibon’ny omby, araka ny fomba fiteny aza, ireo mpikamban’ny governemanta.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.