Actualités

Fahatarana amin’ny fandoavana karama : Mety hiteraka korontana


  • Zoma 29 Janoary 2010

Mbola maro be hatramin’izao ireo miaramila tsy faly noho ny fahatarana tamin’ny fandoavana ilay fisondrotan-karama sy ny prime nampanantenain’ny fitondrana tetezamita.

 

Midika ho famitahana mantsy tamin’izy ireo ny zava-nitranga tamin’ny fandraisana karama tamin’ity volana ity. Nambaran’ny sasany tamin’izy ireo fa efa hatrany amin’ny faran’ny taona no fantatra fa hisy ny fisondrotana amin’ny karama, ary hisy koa ilay prime, ka nahoana no tsy tafiditra avy hatrany tao amin’ny taratasy fandraisam-bola na fiche de paie izany, fa atao amin’ny hafa vaovao indray. Nanamafy moa ireo andiana miaramila izay niakatra teny Antaninarenina afak’omaly fa tsy filam-baniny sanatria ny azy ireo, fa fitakiana ny fampiharana ny zony sy ny toky nomena azy.
 
Rehefa misy moa ny zavatra tahaka ireny dia matetika ny manam-pahefana no milaza fa nisy ny olana ara-teknika ka efa eo am-pandaminana izany ry zareo. Raha ny tena marina anefa dia ny tsy fisian’ny vola eo am-pelatanan’ny fanjakana no mahatonga izao fahatarana izao.  Hoy indrindra ny mpiasam-panjakana iray izay anisan’ny tara vao nahazo karama tamin’ity volana ity hoe : « atahorana ny fiafaran’ity fiainam-pirenena ity atsy ho atsy raha izao fitrangany izao, tsy misy zavatra handeha amin’izay laoniny mantsy eto raha ny miaramila sy ny mpiasam-panjakana no mahatsiaro iharan’ny tsy rariny amin’ity resaka karama ity. Tsy politika mihitsy no resahana eto fa valin-kasasarana, ka mila mahita hevitra sy vahaolana haingana amin’io ny mpitondra, fa raha sanatria mbola miverina ny fahantrana tahaka ny nitranga tamin’ity volana ity amin’ny fandraisan-karama manaraka, dia azo antoka fa tsy maintsy hihetsika ireo rehetra voakasik’izany fa tsy hanaiky fotsiny ny fialan-tsiny sy ny fandambolamboana eo ». Ahiana, araka izany, ny hisian’ny savorovoro raha tsy mahita vahaolana haingana amin’ity resaka karama ity ny manam-pahefana. Tsy hisy mihitsy anefa izany vahaolana maharitra izany raha mikiry ny hitantana samirery ny tetezamita ny ankolafy Rajoelina. Efa mazava ny tenin’ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena rehetra hoe : tsy misy olana mihitsy ny famerenana amin’ny tokony ho izy ny fanampiana an’i Madagasikara raha miverina amin’ny ara-dalàna isika, ka ny ara-dalàna resahana eto dia ny fampiharana ny satan’i Maputo amin’ny fametrahana tetezamita iaraha-mitantana.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT