Fahatapahan’ny herinaratra

Miaiky ny JIRAMA fa tsy mahafehy intsony ny toe-draharaha


  • Alarobia 18 Desambra 2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

mikasika ny fanapahana ny herinaratra. Ny any amin’ireo faritra ivelan’Antananarivo moa efa ela, indrindra, vao vita mihitsy ny fifidianana kaominaly farany teo, no nikaikaika indray amin’ny afitsok’ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy ity. Nisy kosa omaly ny fampahafantarana ny amin’ny hisian’ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo. Voalaza tao anatin’izany fa miiba dia miiba ny ahavon’ireo tohodrano mpamokatra herinaratra ka mahatonga tsy fahampian’ny vokatra tsinjaraina eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Noho izany dia voatery mampihatra fahatapahan-jiro mifandimby mandritry ny ora iray sy sasany isaky ny fahatapahana ny JIRAMA raha ny mikasika an’iny omaly iny, hoy hatrany ny fanazavàna. Araka izany dia miaiky ny JIRAMA fa tsy mahafehy intsony ny toe-draharaha, raha ny mikasika izay fahatapahan’ny herinaratra izay. Ny mikasika ny tsy fisian-drano moa efa tsy lazaina intsony ka asa hoe mbola hiziriziry ve sa hampihatra amin’izay na dia ny iray ihany amin’ireo izay tena maharesy lahatra tamin’ireo vahaolana marobe efa natolotr’ireo manam-pahaizana samihafa?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT