Actualités

Fahatapahan’ny herinaratra Lasibatra ihany koa ireo manao asa any an-trano


  • Talata 23 Mey 2023

Ankoatry ny fahasimban’ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra dia mihisatra koa ny katrokonja na «connexion»

vokatry ny tsy fahatomombanana na fahatapahan’ny herinaratra matetika izay lazaina fa noho ny olana tekinika fa tsy delestazy intsony ity. Ho an’ireo solosaina tsy mitana vatoaratra na «batterie» moa izany dia mampamangy hatrany isaky ny misy an’izay tsy fahatomombanana izay. Lasibatra koa no dikan’izay ireo manao asa any an-trano na «télétravail» izay tena nampirisihin’ny fitondram-panjakana mihitsy nandritr’ireny fihibohana nanomboka ny taona 2020 ireny. Ny sata mifehy ny asa ity efa lazain’ireo sendika fa loza mihatra amin’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, indrindra, ho an’ireo sehatra tsy miasa. Ny fihariana hafa miankina betsaka amin’ny famatsian’ny orinasa JIRAMA koa anefa miha potika. Velon-taraina ireo manao «télétravail» fa mikaikaika etsy an-kilan’izay koa ireo manao asa tena toy ny mpanety sy ny mpanao taovolo na mivarotra enta-madinika toy ireo mila mampiasa vata fampangatsiahana. Ny vahaolana mari-pototra sy tena maharitra aroson’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisitera tomponandraikitra sy ireo sehatra hafa voakasika nefa ity andrasana hatramin’izao fa tsy hita popoaka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT