Actualités

Fahatapahan’ny herinaratra Lasibatra hatramin’ireo mpanjifan’ny banky


  • Talata 30 Mey 2023

Tsy mifidy ho asiana ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny ity. Na ny miasa ao an-tokantrano na any amin’ireo

toeram-piasana isan-karazany na any amin’ireo toeram-pikojakojana endrika amam-bika sy mpanao taovolo, eny, hatrany amin’ireo toerana fakana vola, izany hoe banky, dia samy lasibatr’izany avokoa. Araka ny nambaran’ny mpanjifan’ny banky iray eto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo dia tsy vitan’ny efa nampijaly azy ny filaharana teny amin’ireo masinina mpizara vola na «distributeur automatique» fa mbola nihitsoka niaraka tao koa ny vola efa voaisan’ilay masinina sy ny karatra fakana izany. Ilay karatra ihany anefa no hany azo alaina rehefa miverina ilay herinaratra fa ny vola kosa mijanona mihitsoka ao na dia efa niala tsy tao anatin’ny kaontin’ilay karatra intsony aza. Nilaza ho nanao fitarainana sy nangataka ny hamerenana amin’ny laoniny ilay kaonty tamin’ilay banky moa ity mpanjifa lasibatra ity saingy mbola tsy nivaly ny fangatahany hatramin’ny fotoana nitantarany izao zava-nanjo azy izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT