Actualités

Fahatapahan’ny herinaratra ao Toamasina Tsy delestazy fa fikojakojana isaky ny zoma, hoy ny minisitra


  • Talata 07 Martsa 2023

Nidina ifotony tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo ny minisitry ny angovo sy akoran’afo, Soloniaina Rasamoelina Andriamanampisoa.

Niaraka taminy ny tomponandraikitry ny Jirama, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nisy ezaka natao, hoy ity minisitra ity, mikasika ny lamina amin’ny fitsinjarana herinaratra. Hita ho mihena ny fahatapahan’ny herinaratra amin’ireo vohitra. Ho an’ireo orinasa koa dia tsikaritra izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny Enelec. Milina miisa 11 amin’ireo 13 nifanarahana no efa mandeha. Nanome baiko ny orinasa Jirama ny tenako mikasika ny fifanarahana amin’ny orinasa Enelec mba hamerina hanara-maso ireo fitaovana mandeha ahafantarana ny tena tanjany. Arakarak’izay tanjaka izay no hamaritana ny tena tokony ho fifanarahana. Hiezaka hifanatona handinika izany ny 2 tonta. Ampirisihina ireo orinasa hampiakatra ny taham-pamokarana herinaratra satria ny eto Toamasina fotsiny izao dia misy mangataka 5 Megawatt tombony. Ny orinasa mpanao simenitra mangataka 10 Megawatt. Renivohitry ny toekaren’I Madagasikara I Toamasina. Tsy misy delestazy intsony eto Toamasina fa ny fikojakojana herinaratra tsy maintsy atao isaky ny zoma no anton’ny fahatapahana. Eo ny fanapahana hazo amin’ireo toerana hitsinjarana herinaratra izay tsy maintsy hanaovana izany mba tsy hisian’ny sanatriavina hoe mpiasan’ny JIRAMA ho main’ny herinaratra eny ambony eny. Ampy ny vokatra hatreto fa tsy maintsy jerena miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny mikasika ny masonkarenan’ny JIRAMA, hoy hatrany ny nambaran’ity minisitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT