Fahatapahan’ny aterineto

Fahasahiranana mananontanona


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Mitady ho fahasahiranana mananontanona ankoatran’ny olan’ny

herinaratra sy rano koa ankehitriny ity fahatapahan’ny aterineto ity. Nampikaikaika indray izany ny faran’ny herinandro teo. Ireo mivelona amin’ny fampanofana azy io na irony Cybercafé irony moa no isan’ny tena velon-taraina manoloana ity toe-draharaha izay efa nanaovana antsoavo matetika ireo tomponandraikitra tokony handray fepetra mikasika izany ity. Eo ihany koa anefa ireo miasa amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra any an-tokantrano na itony antsoina hoe “télétravail” itony. Maro ireo fihariana potika rehefa tapaka ny rano sy herinaratra ary tafiditra ao anatin’izany itony karazam-pihariana voalaza teo itony. Mainka moa izany fa mbola hiampy an’izay tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny famatsiana aterineto izay dia asa fotsiny angamba, hoy ny fitenenana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT