Efa mba velom-panantenana ery ireo mpanjifan’ny Jirama 2 na 3 andro teo izay hoe mety mba hita soritra angamba ny vahaolana azo hisorohana ity fahatapahan-jiro lavareny ity.
Nanomboka niverina indray anefa izany, raha ny fitarainana maro, heno teto an-drenivohitra omaly. Tsy niova ihany koa ny fihodinan’ny fahatapahana fa saika ireo izay tratry ny fahatapahana maraina ihany no tratra maraina. Izay tratra hariva dia hariva. Mihena ny fahafaha-mandany jiro kanefa ny vidiny hita aloha hatreto dia miha midangana hatrany. Efa zary lasa fanampin-tsakafo mihitsy ilay izy, hoy ny fahasorenan’ireo hiharan’izany eo amin’ny fotoana tena ilana azy.Maharitra hatrany amin'ny adin'ny 2 ny fahatapahana matetika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.