Iharan’ny fiovaovan’ny toetr’andro isika eto Madagasikara ary voakasika manokana amin’izany ny 75%-n’ny Malagasy izay tantsaha mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Ohatra amin’izany ny hain-tany, ny rivodoza ary ny tondra-drano. Misy anefa ny vahaolana azo hiatrehana io fahasimban’ny tontolo iainana Malagasy io dia ny teknika mitahiry ny tsiron’ny tany
. Tanjona ny ahatongavana amin’ny rafi-pambolena maharitra sy mamokatra izay manatsara ny fari-piainan’ireo mpikirakira ny tany. Fomba telo no takiana amin’ny mpamboly dia ny tsy fikitihana firy ny tany, ny fifandaminana amin’ireo fikambanan’ny mpamboly miaraka, fifandimbiasana ireo karazam-boly ary ny fampiasana mandavan-taona ny tany. Tombony lehibe amin’ny fampiasana ity teknika natolotra teny amin’ny foiben’ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo, ny fambolena sy ny fiompiana Ankorahotra omaly ity ny fiarovana ny tonolo iainana sy ny fampitomboana maharitra ny voka-pambolena sy ireo foto-piveloman’ny tantsaha. Miroso amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ity teknika ity eny anivon’ireo dingana isan-tsokajiny moa ankehitriny ny sahan’asa goavan’ny vondrom-pirenena ahitana ireo mpikambana 40 avy amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny masoivohon’ny Firenena mikambana, ny fiarahamonim-pirenena sy ireo fikambanana maro samihafa misahana ny fambolena. Nampahafantarina tamin’io fotoana io ihany koa ny famonoam-balala dingana voalohany mitentina 28,8 tapitrisa dolara izay nahafahana nitsabo velaran-tany 1,2 tapitrisa hektara. 3,6 tapitrisa dolara kosa no vola vao voaangona amin’ny 13,6 tapitrisa dolara ilaina amin’ny dingana faharoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.