Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,
ny mpamily fiarakaretsaka, ny zokiolona, ny mpivarotra amoron-dàlana, ny mpanasa lamba, ny mpivaro-tena,… Mandeha ny fizarana PPN na entana ilaina andavandro no zaraina amin’io, fa tsy vola 100 000Ar araka ny fampanantenan’ny Filoha. Misy ireo sokajin’olona manomboka mampiaka-peo sy mitaky ihany koa ny anjara fanampiana ho azy. Tany Toamasina, dia efa nihetsika ireo mpitarika posy, ka raikitra ny sakoroka. Mandrahona ny hanao fitokonana ihany koa ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly sy rejionaly ho an’ny anio, raha tsy misy ny fiovana. Ireo etsy amin’ny Toby fiantsonana etsy Ampasampito no nahenoana an’io omaly, ka andrasana izay ho tohiny. Samy norarana tsy hiasa sy tsy hivezivezy izao, samy tapaka asa fivelomana, koa nahoana no taksibe sy fiarakaretsaka ihany no mahazo? Hoy izy ireo. Asa izay mety ho fanapahan-kevitra avy amin’ny fanjakana, fa zary mihamafana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao. Sarotra ny mitantana sy mandrindra ny fanampiana satria ny sehatra rehetra, ny sokajin’olona rehetra amin’ny ankapobeny no voatohintohina sy lasibatra noho ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, mba hisorohana ny fipariahan’ny areti-mandringana Covid-19.
Manome 48 ora ireo mpitatitr’entana
Mandrahona ny hitokona tsy hitatitra entana ireo mpamily kamio raha tsy jerena ny fanampiana azy ireo. Manomboka tsy misy entana mantsy ao amin’ny Seranantsambo fa tsy tonga ny sambo noho ny tahotry ny sazim-pahatarana na ny “Surestarie” noho ilay “quarantaine” atao amin’izy ireo 15 andro ny fanjakana sy ilay 5 andron’ ny apmf, hany ka saika tavela ao Maorisy avokoa ireo entana tokony ho avy eto amintsika. Vao mainka hiteraka olana goavana ara-toekarena sy ara-tsosialy io satria miankina amin’izy ireo ny famatsiana ny entana ilaina amin’ny andavanandro. Ahiana vao mainka hidangana ny vidim-piainana. Manome 48 ora ny fanjakana izy ireo hijerena vahaolana. Re fa mety ho avy any Toamasina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina anio.
Toky R sy Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.