Actualités

Fahasahiranan’ny orinasa Ambatovy Misy fandeham-bola tsy mazava ?


  • Alarobia 17 Jona 2015

Variana loatra amin’ny savorovoro politika isika ankehitriny, hoy ity mpanara-baovao politika iray, ka tsy maharaka ny fahavoazana ara-toekarena mianjady amin’ny firenena. Mahagaga, hoy izy ny fahasahiranana nahazo tampoka ny orinasa Ambatovy izay heverina fa anisan’ireo niroborobo fatratra tao ho ao nefa izao dia voatery mandroaka mpiasa

 

. Raha ny vaovao voaray avy any amin’ity toerana ity ary tena azo antoka tanteraka, hoy izy, dia toa misy fandeham-bola tsy dia mazava loatra ny fandehana ao amin’ity orinasa ity. Misy mantsy, hoy izy, ny ampaham-bola izay tokony harotsaka amin’ny kaontim-panjakana avy ao Ambatovy ao saingy toa voahodinkodina any amin’ny kaontin’olona manokana samihafa ilay izy raha ny marina. Tsy mahagaga raha manjary sahirana ity orinasa ity vokatr’izany. Dia mba tairina ihany ny sain’ny rehetra mba hanara-maso akaiky ny zava-misy fa ho latsaka an-davaka ny toekaren’ity firenena ity raha izao no mitohy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

Hijery ny tohiny
FTT