Fahapotehan’Antananarivo

Taratry ny fahasimban’ny Firenena…


  • Zoma 01 Desambra 2023

Taratry ny fahapotehan’ny firenena ny Renivohitr’i Madagasikara, izay tena miaina

ao anatin’ny sy fanjariana maro samihafa. Potika ny làlana, misavovona ny fako, mikorontana ny fifamoivoizana,… Aiza ve ka vao mirotsaka kely ny orana dia miaina tanteraka ao anatin’ny rano maloto ny faritra iva, ny arabe mampidi-doza noho ny fahasimbana noho ny tsy fisian’ny fikojakojana. Efa latsaka any anaty lavaka ny fiara vao taitra ny rehetra hoe : ahoana ity ? raha raisina amin’ny tranga tetsy amin’ny Rotsirotsy Andravoahangy omaly. Tsy vao sambany no nisy tranga tahaka ireny fa efa mpiseho teo Ambodin’i Mascar, Anosy,… Maro ny mety ho antony, ary sokajiana ho samy tompon’andraikitra ny rehetra na ny mpitantana na ny tantanina. Ny olona toa zary zatra gaboraraka ka matetika mandrora mitsilany. Ny mpitondra ihany koa etsy andaniny toa tsy arakaraka ny nahamaika naka fahefana, tsy arakaraka ny fiventesana fa rehefa olon’ny fitondrana foibe no dia handroso amin’izay, hisy ny vola,… Maika fotsiny tamin’ny kajy politika hoe : stratejika be Antananarivo amin’ny fifidianana kanefa aiza izao no niafaran’ny Renivohitra ? Antananarivo izay renivohitr’i Madagasikara aza io no mahazo azy izay toa sady mahantra ara-batana no mahantra ara-tsaina ka manao ahoana ny firenena manontolo ? Moa tsy taratry ny fahapotehana sy fihemoran’ny firenena izao ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT