Fahapotehan’Antananarivo

Akaiky fifidianana vao be fihetsiketsehana ny mpitondra...


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Ankatoky ny fifidianana indray, dia mandeha ny fihetsiketsehana maro samihafa ataon’ny mpitondra,

toy zava-miseho eto Antananarivo. Nilaza Ramatoa PDS Harilala Ramanantsoa tamin’ity herinandro ity, fa mila tohizana ny ezaka ho an'ny rehetra. Notanisaina ny ny hanaovana ezaka samihafa toy ny fitohizan’ny asa fanadiovana sy fandaminana ary ny fandrindrana ny tanàna. Ny fanamby amin'ity herinandro ity handaminana ny fitohanan'ny fifamoivoizana amin'ny toerana vitsivitsy, mizotra hatrany ny fandaminana ny eo amin'ny Araben'ny Fahaleovantena,... hoy io PDS io. Nambara fa hanomboka ny asa fanamboarana ny làlana, ary ny fanatsarana ireo toeram-piantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka miisa 50 eny anivon'ireo Boriborintany enina eto an-drenivohitra. Zava-dehibe izany, tsara ny finiavana saingy mampametra-panontaniana hatrany hoe : nahoana no niandrasana aty amin’ny ankatoky ny fifidianana ? Ny zava-misy sy hita hatramin’izay rahateo, dia mikorontana ny tanàna, tapitra potika ny lalàna, maloto sy voretra ny Renivohitr’i Madagasikara izay vao avy nohamafisin’ny Gazetiboky Forbes fa tanàna maloto sy voretra indrindra eto Afrika. Tsaroana tsara ny tsikera mivaivay nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny taona 2019 ora vitsy nialohan’ny latsa-baton’ny fifidianana ben’ny tanàna nanakiana ny ben’ny tanàna tamin’izany Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ekipany hoe : maimbo sy voretra Antananarivo. 5 taona aty aoriana, nivoatra sy naha te honina tokoa ve Antananarivo sa vao mainka nihemotra ? Ho avy indray ny fifidianana dia mandeha ny fihetsiketsehana hanjonoana vahoaka ? Tsy finiavana hanakiana sy hitsikera, ary ankasitrahana ny fanehoana fa miasa efa tokony ho nandeha ho azy sy efa vita hatrizay izany ireny tanisaina ireny, tsy norahariana sy notazanim-potsiny, raha tsy hilaza afatsy ireo lalana tapitra potika. Firifiry ireo fitarainana toy ny faharatsian-dàlana miala eny Analakely ambadiky ny Pavillon iny ka hatreny an-damosin’ny Firaisana voalohany eny Soarano ? Tahaka izany ihany koa ny eny Ampandrana mihazo an’i Bel’Air iny, ny làlana eny Anosipatrana, Ampefiloha,… Ny fahantram-bahoaka mitombo, ary misy aza olombelona efa tena miady fako sy hanina amin’ny biby eto ! Ampahany ireny saingy tsy hita hatramin’izay ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT