Fahapoizinana nahafaty olona 50 mahery

Hampanginina hanomezana antoka ny SADC, mandeha ny fanenjehana...


  • Alakamisy 17 Jolay 2025

Hatao izay hifehezana amin'ny fomba rehetra ny raharaha olana ara-tsakafo

sy ara-pahasalamana izay nisongadina tao anatin'ny iray volana, ka mety hotsimponina izay tena manahirana ny Fanjakana ? Atao izay hifehezana sy hampangina tanteraka ny raharaha mandra-pahatongan'ny Fivoriambe faha-45 ho an'ny SADC? Atao ny fomba hananan'ny vahiny antoka, fa milamina eto Madagasikara, tsy ahiana ny tranga fahapoizinana mety hahavoa ny delegasionina,... Somary ratsiratsy endrika sy malaza ratsy mantsy ny Fanjakana Rajoelina amin'ny fifehezana ny lafiny ara-pahasalamana, indrindra fa nisy ny fampahalalam-baovao Iraisam-pirenena namoaka vaovao mifanohitra amin'ny nolazain'ny mpitondra. Lasa manana sary ratsy amin'ny lafiny fahasalamana sy ara-tsakafo i Madagasikara izay sarotra ny mifehy azy. Hatramin'ny Filoham-pirenena mivantana rahateo no efa nilaza fa lasibatry ny "intoxication alimentaire" ny volana martsa. Manampy trotraka ny taratasy nalefan'ireo Filoha teo aloha mirahalahy mianaka dia i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina izay nilaza mivantana fa tsy manaraka ny soatoavin'ny SADC ny zava-misy eto sy ny Fanjakana misy ka tokony hahemotra na hafindra any amin'ny toeran-kafa ny fihaonam-be. Mikofokofoka mafy ny hanaovana an'io kosa ny Fitondrana ka heverina fa hihamafy ny fifehezana ara-politika sy ny fanarotsaronana ireo toe-draharaha manahirana ka tafiditra io resaka fahapoizinana etsy sy eroa io. Tsy mijanona amin'ny ara-teknika intsony fa miditra amin'ny fifehezana ara-tserasera? Raha ny loharanom-baovao mantsy dia ahiana ny fitsimponana ireo mpaneho hevitra sokajiana ho manohintohina ny Fitondrana. Mpitondra fivavahana manana anarana afohizina amin'ny hoe RCE izay mpampianatra eo anivon'ny Faculté de Théologie etsy Ambatonakanga sekoly manofana ireo mpianatra ho mpitandrina eo anivon'ny FJKM no re fa niakatra fampanoavana omaly. Ahiana ho noho ny fanehoan-kevitra manodidina ny raharaha Ambohimalaza, izany hoe resaka heloka an'habakabaka na Cybercriminalité, ka efa notazonina 2 alina tany amin'ny mpitandro ny filaminana, raha ny loharanom-baovao tsy ofisialy. Andrasana raha hisy fanazavana hafa mety mifanohitra amin’izay loharanom-baovao azo izay!
TSY VOAFEHY
Maherin'ny 50 isa ny maty: 29 teto Antananarivo, 18 tany Ambositra, 3 tany Mahajanga, 1 tany Toliara,... Olona an-jatony narary. Manampy trotraka ny faty mikararana any amin'ny distrikan'Ikongo izy efa manodidina ny 260 nanomboka ny janoary, hoy ny mponina. 118 ny matin'ny tazomoka raha ny tatitra vao andro vitsy ankoatra ny tany aloha. Ny teto Antananarivo, io iarahana mahita io ny tsy fahafehezana ny toe-draharaha izay nolazaina fa fanapoizinana niniana natao ny tetsy Ambohimalaza, izay notsikafonin'ny fampahalalam-baovao vahiny fa RFI sy TV5 Monde fa tsy afaka manamarina izany ilay laboratoara tany ivelany. Toa zary lasa fatoran'ny zavatra lazainy ny mpitondra. Lazaina fa tsy afaka mamoaka feo ka "tablette" no asaina anoratan’ny marary kanefa avey eo ny Minisitera mamoaka "vidéo" mampiteny marary. Teo koa ny fampitenenana profesora nanamafisana ny fanapoizinana niniana natao fa tsy "botulisme", izay manalasala. Lasa mampiahiahy ny fomba fitondran-draharaha na ny teknika, na ny serasera, na ny politika,... ka zary lasa tsy matoky intsony ny olom-pirenena, fa indrindra ireo havan'ireo lasibatra, izay mitaky ny hamoahana ny marina. Nahoana no tsy nolazaina mazava ihany koa ny antony nahafaty ireo olona marobe tany Ambositra izay nitovitovy fiseho tamin'ny teto Antananarivo ? Nijabaka tany amin'ny filazana fa famosaviana ny Fanjakana ka terena ho marina io ? Nisy resaka menaka teto izay niparitaka fa mampiahiahy, ary governora iray ato anatin'izao Fanjakana izao no isan'ny nanamafy an'io. Nisy tompon'andraikitra ara-panjakana nilaza fa nogiazana aloha ireo menaka. Nisy tompon'andraikitra teo anivon'ny Minisiteran'ny indostria sy ny varotra nilaza fa efa nandraisana fepetra ireo entana niteraka resabe toy ny mortadelle, fifampiresahana ny Orinasa voatonontonina tamin'ny resaka menaka ka nomena toromarika ny Fitaleavam-paritra handray fepetra ny ampahany amin'ny menaka indrindra ny menaka "en vrac" sy ny menaka tsy mandry. Ny Minisitra mihitsy ny niditra an-tsehatra nitsidika ilay Orinasa, nijery ny fanodinana, naneho fa azo hoanina tsara,... Tsy amin'ny alalan'ny fitiliana samihafa (analyse & contre-analyse) ve ohatra no tena hahafahana manome antoka? Nampanao ve izany ohatra ireo misora-tena ho mpiaro ny zon'ny mpanjifa ? Efa zary lasa krizy ara-pahasalamana sy olana sosialy goavana no miseho ka misavoritaka ny Fanjakana mifehy azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT