Fahapoizinana ara-tsakafo

1 maty, manodidina ny 50 lasibatra tao Amoron’i Mania


  • Talata 24 Jona 2025

Nitrangana fahapoizinana ara-tsakafo koa tany amin'ny faritra Amoron'i Mania,

tao Ambositra sy tao amin'ny Distrikan'Ambatofinandrahana, kaominina Ambatomifanongoa, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Ho an'ny tao Ambositra dia 18 isa no niharan'izany rehefa avy namonjy Kaominio voalohany tao Antsaropy ny 22 jona teo. 2 no misy fahasarotana. Iray namoy ny ainy. Nandoa miloko maitso ny ankamaroany. Iangaviana izay manana havana namonjy an'io kaominio io hamonjy maika ny hopitaly CHRR Volafotsy faran’izay haingana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly alina. Ho an'ny tao amin'ny kaominina Ambatomifanangoa dia 35 no niharan'ny fahapoizinana ara-tsakafo. 3 efa nivoaka hopitaly. 15 mila arahi-maso akaiky. 1 no misy fahasarotana. Efa nalefa ho tiliana any amin'ny laboratoaran’ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka ireo singa ahiana ho niteraka ny fanapoizinana. Miantso ny rehetra hanaja ny fahadiovana amin'ny lafiny fikarakarana ny sakafo ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka. Amin'izao akatoky ny fetim-pirenena izao dia manamafy ny fanentanana ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Amoron'i Mania, mahakasika ny fividianana ny sakafo, eo ny andraikitry ny mpivarotra amin'ny tsy ivarotana ny entana lany daty, ny mpividy koa manana zo hanamarina ny daty voasoratra ny sakafo vidiana ary azo averina izany. Afaka manatona ny Fitaleavam-paritra raha misy tranga fisian'ny entana lany daty ary efa misy foana ny fanaraha-maso ireo entana lany daty ary maha voasazy ny fanahiniana mivarotra izany. Raisin'ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ny fitaleavam-paritra Amoron'i Mania ny fitsaboana ireo marary, hoy hatrany ny fanamarihana sy fampitàm-baovao voaray. Miisa 49 izany, raha atotaly, no lasibatr’izay fahapoizinana ara-tsakafo izay ao an-toerana, raha ny tarehimarika voaray hatramin’ny omaly izay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT