Fahapatapahan-jiron’ny Jirama

Olan’ny herinaratra mahery vaika any Andekaleka sy Mandraka…


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Samy nahatsikaritra ny rehetra fa nisy ny fahatapahan-jiro niverimberina omaly

hariva teto Antananarivo sy ny manodidina, ary ny fahatapahana voalohany nanomboka tamin’ny 6ora mahery teo aza dia naharitra adin’ny iray latsaka teo. « Misy fahatapahana matetitetika ny famatsiana herinaratra eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo noho ny filatsahana tampok'ireo zotra mitondra herinaratra mahery vaika 138KV avy any Andekaleka sy 63KV avy any Mandraka, vokatry ny andro ratsy eo anelanelan'Ambatolaona sy Manjakandriana », hoy ny Jirama. Nambara fa rehefa tonitony ny toetr'andro dia miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra. Zary efa tsy vaovao intsony moa ny fanazavana tahaka itony satria na fahavaratra na lohantaona na ririnina, dia misy foana ny delestazy, ary mahita holazaina foana ny Jirama. Fandre foana ny hoe : tsy ampy ny tosiky ny rano, be loatra ny tosiky ny rano, tara ny famatsiana solika,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT