Tena mampanaotao foana olona ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano ankehitriny.
Miasa mafy hatrany isan’andro ary mila tsy hahatsindry tsihy intsony amin’ny alina nefa mbola tsy hita ihany izay tena marina. Izay vola tonga ao an-trano dia lany avokoa ary tena tsy ampy aza hany ka manosika ny sasany hanaotao foana mihitsy. Vokatr’io tranga io dia fantatra fa nitombo izaitsizy tato ho ato ireo olona tonga manatona ireny mpahay zavatra na mpahita ny ho avy ireny. Raha kely dia mandray olona 20 isa isan’andro ny ivon-toerana iray ka saika manamboatra vintana hanatsarana fiainana avokoa ny ankamaroan’izy ireny. Te-hanan-karena, te-hanam-bolabe avokoa ny ankamaron’izy ireo ary misy mahavita miverina in-droa mihitsy ao anatin’ny herinandro mba hisehoan’ny fahagagana haingana, raha araka ny fanadihadiana natao. Mbola vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa moa raha tsiahivina no antony mahatonga izany. Hatramin’ny nampahazo vahanabe ny fahasahiranam-bahoaka teto amintsika moa no voalaza fa tena nampidodododo ny olona hanatona ireny mpahay zavatra ireny.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.