Actualités

Fahantrana Manery ny ankizy hiasa


  • Sabotsy 14 Jona 2014

Zaza Malagasy 2 tapitrisa latsaky ny 15 taona no nandao fianarana sy voatery miasa mitady vola isan’andro, araka ny fanadihadiana farany notanterahan’ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa niaraka tamin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana mikarakara ny ankizy sy ny ivontoeram-pirenena misahana ny Antontanisa eto Madagasikara.

 Tarehimarika izay nitombo 25% hatramin’ny taona 2008 araka ny fanazavana. Ity fanadihadiana ity no milaza fa ankizy 5 hatramin’ny 17 taona miisa 1,8 tapitrisa no manatanteraka asa sokajiana ho mampidi-doza toy ny famakiana vato, jono na koa asa an-trano izay mifanohitra tanteraka amin’ny zo iraisam-pirenena sy zo Malagasy. Fantatra moa fa mikarama dolara iray na 1.900 ariary ny mpamaky vato iray mandritra ny andro iray. Antony iray goavana io mampirisika ireo fianakaviana manontolo hifandrimbona amin’ity asa mihatra aman’aina ity mba sitrany ahay, araka ny fomba fiteny. Tsy nisy mihitsy moa ireo voaenjiky ny lalàna eto Madagasikara hatramin’ny nanasoniavantsika ny fifanarahana manerantany novolavolain’ny Birao iraisam-pirenena momba ny fetra ho 15 taona amin’ny asa tamin’ny 2000 ary lasa lalàna velona tamin’ny taona 2007. Milaza moa ireo manampahaizana fa tsy misy dikany ny lalàna satria mihamahazo vahana ity tranga ity ankehitriny. Nandamoka rahateo ilay fanentanam-pirenena hiadiana amin’ny asan’ankizy nosahanin’ny BIT tao anatin’ny efa-taona.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT