Anatin’ny fahamehana ara-tontolo iainana ny Nosy Maorisy ankehitriny noho ny fahavakisan’ny sambo mpitatitra solika MV Wakashio,
hoy ny fanamafisam-baovaon’ny minisiteran’ny tontolo iainana eto Madagasikara. Araka izany, ny OLEP dia efa nanome ny lisitr’ireo fitaovana am-pelatànan’i Madagasikara ahafahana manampy ny Nosy Maorisy. Ny fivoahan’ireo fitaovana ireo ny faritanin’i Madagasikara ihany koa dia misy ny rindran-damina tsy maintsy arahina araka ny voalazan’ny andininy faha 7 amin’ny fifanarahana ORPC na fifanarahana iraisam-pirenena tamin’ny 1990 momba ny fanomanana, ny fiatrehana ary ny fiaraha-miasa manoloana ny fandotoana ateraky ny akoran’afo, hoy hatrany ity minisitera ity. Araka izany dia hanome tanana ity nosy rahavavy ity i Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.