Mbola anatin’ny fanadihadiana ny Brigade Criminelle eo anivon’ny Polisim-pirenena momba iny fahamaizana nitranga tao amin’ny Foibem-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana na ONE Antaninarenina ny alin’ny 15 jolay 2020, iray volana lasa izay.
Miandry am-pitoniana ny vokatr’izany fanadihadiana izany ny rehetra, hoy ny avy eo anivon’ny ministera. Mandra-piandry izany dia hanohy ny asany eny Ambatobe – Antananarivo ny ONE mandram-piandry ny fanarenana ny biraony eny Antaninarenina. Ao amin’ny birao foiben’ny Organe de Lutte contre les Evénements de Pollution na OLEP eny Ambatobe no misy ny birao vonjimaika ny ONE. Ny ONE sy ny OLEP moa dia samy rantsana miankina amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Firaisankina teo amin’ny mpiasan’ny ONE sy fanohanana ara-pitaovana avy amin’ny GIZ sy ny orinasa SMTP no ahafahan’ity Foibem-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana ity hanohy ny asany indray. Ankoatra ny tohana avy amin’ny Minisitera dia nanao tsipaipaika ireo mpiasan’ny ONE nahafahana nanatsara ity birao vonjimaika ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.