FAHAMAIZAN’NY MAGAZAIN’I TALIRA

Ireo olona tsy nahaloa trosa no tao ambadika ?


  • Talata 24 Septambra 2024

May kila nisy nandoro ny magazain’i Talira ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Marovato,

distrikan’i Port-Berge. Afak’omaly Alahady misasak’alina no nisehoan’izany ka potika sy lasa lavenona avokoa ny ankamaroan’ny entam-barotra tao amin’ity magazay ity.Tsy mbola fantatra moa ny olona nahavanon-doza fa anisan’ny feo miparitaka kosa ny mety ho fisian’ireo nanao trosa tao amin’ny magazay ho ao ambadik’izany. Maromaro ihany mantsy izy ireo ka ny hahatonga ilay taratasy misy ny anaran’izy ireo ho lasa lavenona mihitsy no tena tanjony. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no hanamarina izany na tsia.
Pati Legende : Lasa lavenona tahaka izao avokoa ny entana tao anatin’ilay magazay !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT