Fahamaizanan’ny tsenan’i Miandrarivo Faratsiho

Manahy zavatra ambadika ny mponina


  • Talata 03 Jona 2025

May ny tsenan'i Miandrarivo any amin'ny distrikan'i Faratsiho.

Omaly Alatsinainy 02 Jona no nitrangan'izany tokony ho tamin'ny mitataovovonana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy fantatra mihitsy izay niavian'ny afo. Izy efa nihitatra tamin'ny trano maromaro vao nisy nahita ka nanomboka ny famonoana ny afo. Na izany aza dia fantatra fa tena nanano sarotra ny famonoan'ny fokonolona izany noho ny tsy fisian'ny fiara mpamonjy voina. Sarotra koa vao nahazo rano namonoana ny afo ny rehetra, antony naharipaka hatrany amin'ny 70% ny tsena. Raha araka ny feo mandeha moa dia tsy haintrano tsotra ity nitranga tao Miandrarivo Faratsiho ity. Manahy ny mety hisian'ny ambadika mihitsy ny mponina saingy ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hanamarina izany. Ankohonana am-polony indray vokatr'izany no ho tapaka asa fivelomana ao Miandrarivo ao vokatry ny fahamaizan'ity tsena ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Nidedadeda tahaka izao ny afo nandoro ny tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT