Fahamaizana goavana etsy eroa

Ahiana ny politika maloto sy fanakorontanana


  • Talata 28 Oktobra 2025

Nanaitra ny fahamaizana goavana niseho

tamin'ny toerana miisa roa teto Antananarivo tao anatin'ny andro vitsy. Ny alin'ny sabotsy teo, nitrangana firehetana goavana tetsy Ankorondrano. Trano manodidina ny 150 no indray levon'ny afo. Ankorondrano. Orinasa maromaro no lasibatra ihany koa satria trano fitehirizam-bokatra sy akora simika mora mirehatra an’ny Sodirex, Mftp, Titalia ary Procare no may ny faran'ny herinandro teo. Nisy firehetana ihany koa teny Ankazomanga, Tsaramasay, Iavoloha teny amin’ny tendrombohitra Ambohitraina mifandray amin’ny Lapam-panjakana,... Omaly, nirehitra ihany koa ny Toby Loteranina teny Ambohibao. Firehetana goavana izay henjana ny nifehy ny afo, nampiasana fitaovana samihafa,... Zazavavy kely 13 taona notsaboina tao an-toerana no namoy ny ainy satria tsy tafavoaka fa nihidy ny efitrano nisy azy na niezaka nivoaka ihany aza izy. Omaly takariva, nisy fahamaizana goavana ihany koa teny Anosipatrana,… Tsy teto Antananarivo ihany fa may omaly maraina ihany koa ny hopitaly be Mandritsarara, ka levona tao avokoa ny antontan-taratasy sy fanafody maro. Mitetim-bidy 100 tapitrisa ariary ny fatiantoka tamin'ny fahamaizan'ny trano fitehirizana fanafody "Pharmacie à Gestion district Mandritsara". Omaly alatsinainy 27 octobra 2025, hatairana no nahitana ny setroka avy tamin'ny trano iray misy fanafody ity tokony tamin'ny 4 ora maraina. Nikoropaka namono afo ny fokonolona. Tsy maty ny afo nohon`ny tsy fisian`ny fitaovana manokana famonoana afo, toa izany koa ny rano. Nirombaka naka ireo entana sisa tsy may no natao ka voatery novakiana avy ety ivelany ny trano mba ahazoana ireo fanafody mbola tsy may. Misy resaka lonilony eo amin'ny fitsinjarana fanafody ka nisehoana fandrahonana an-tsoratra naparitaka tao amin'ny faritry ny hopitaly be. Loza sy trangam-piarahamonina toy ny mahazatra ve sa fahamaizana sy fandorana niniana natao na "incendies criminels" ny sasany? Toa mampanahy sy mahalasa saina ihany mantsy ny zava-nitranga hoe: sao tafiditra ao anaty tetikady maloto goavana hanakorontana Firenena ? Nanaitra ohatra ny nilazan'ireo olona teny Ankorondrano fa fa hafa ihany i Andry Rajoelina, manome fanampiana,... toa misy filalaovana ny fihetseham-pon'ny olona. Misy ifandraisany amin'ny maha FLM ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael ve ny fahamaizana teny amin'ny Toby FLM Ambohibao sa fifandrifiana ihany? Mampanahy ireo tranga sesilany izay ahiana ho tafiditra anaty fanakorontanana Firenena sy fiarahamonina taorian'ny fiovan'ny mpitondra eto amin'ny Firenena. Tsy miampanga na manondro olona sy vondron'olona fa raha ny tantara, dia fomba fiady politika isan'ny nanamarika ny 2009 ny fandorana sy fandrobana. Mbola navela malalaka sy nokotrehina tamin'ny alin'ny 25 septambra avy eo ny vahoaka sy ny tanora nanao fihetsiketsehana am-pilaminana no nosoketaina. Heverina ho tsy tongatonga ho azy tafiditra ny politika mamohehitra mba hampihorohoroana vahoaka sy hanakorontanana ny Firenena ny tahaka izao ka mila mailo ny rehetra, mila mandray fepetra hentitra ny Fanjakana,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT