FAHALOTOAN’NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Tafakatra avo 4 heny amin’ny teo aloha


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Tafakatra avo 4 heny amin’ny teo aloha araka ny fetra namaritan’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena

momba ny Fahasalamana na ny OMS ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo renivohitra. Mbola ho hita taratra mandritra ny 3 andro ho avy izany, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby, antony mbola mampihantona tanteraka ny ranon’orana eto amintsika. Hiteraka olana ara-pahasalamana ho an’ireo voasokajy efa marefo sy ireo manana olana amin’ny taovam-pisefoana io fahalotoan’ny rivotra io raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Mety hankarary mihitsy aza izany ka tokony samy hitandrina ny tsirairay. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana satroka rehefa hivoaka ny trano, ny fisotroana rano 1 litatra sy tapany isan’andro isan’olona izay tsy mangatsiakabe na dia mafana aza ny andro, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana ary ny fanaovana fitafiana mifanaraka amin’ny toetry ny andro.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT